- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Lahiantitra tratra saika hanolana ny zafikeliny

Toliara : Lahiantitra tratra saika hanolana ny zafikeliny

Mbola dibo-drano ny ankamaroan’ireo toerana iva ao Toliara. Noho izany mbola maro ny mpianatra tsy mankany an-tsekoly fa mijanona ao an-tranony. Anisan’izany ity ankizivavikely 11 taona monina ao Mahavatse,izay voalaza fa saika naolan’ny raibeny afak’omaly antoandro iny izy avy nandro saika handeha hisolo akanjo no avy hatrany dia notolomin’ingahibe. Ny kiakiak’ilay ankizy no nanaitra ny manodidina ary tonga ihany koa ny reniny fotoana fohy taorian’izay. Niezaka nanazava ny zava-nanjo azy tamin’ny filan-dratsin-drainibeny ity voatavo tsy mifandraka ity.

Voalaza fa efa indroa ingahibe ity no nikasa hanolana an-jafiny nefa tsy mety tanteraka ny filan-dratsy. Tamin’ny voalohany hoy ny fanazavana dia notambazan’ny raibeny vola iray alina ariary ilay zaza nefa nandà. Tezitra sy niakatra afo ny rain’ilay ankizy raha vao nahare ny vaovao ka nalefa nody avy hatrany any ambanivohitra « Dadilahy », satria hono mitahiry mpanolana sy mpamosavy mpamotika ny fiainan-janany ao an-trano fotsiny. « Mety tsy nahatanty ny fidorehitry ny tratran’ilay « ajampela » mibontsina sy bongabonga « Nahoda » ka tsy niraharaha intsony hoe zafiko ity », hoy ny takorintsiky ny olona teo an-tanàna. Simba ny rafi-piarahamonina amin’izao ary saika isan’andro dia ahenoana trangana fanolanana foana eto amintsika. Raha ny any Atsimo dia vitavita amin’ny raharaham-pihavanana sy kabary ambany « Kily » ny fihetsika mamoafady toy izao. Vitsy ny sahy mitory sy mitorika.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser