Rava ny tsena! Very lasan’ny mpivarotena ny volabe saika hividianana omby. Raim-pianakaviana iray no voaendaka sy voadaroka ny alin’ny asabotsy teo, tany Toliara, ka very tamin’izany ny vola valo hetsy ariary saika hividianana omby ny ampitson’io tao anaty sakaosy niaraka tamin’ny finday sy fakan-tsary. Raha ny angom-baovao, dia nisotro labiera tamina « bar » iray tao Bazaribe « Magro » ity rangahy ity, no nisy mpivarotena (sarimbavy) bikana nanatona azy. Niakatra ny ambiasy ka nifampitarika tany amin’ny maizimaizina. Izy niantso vonjy very ny entako no nanaitra ny teo amin’ny manodidina. Raha ny fanazavana azo : kepoka ny anao lahy raha iny hiray iny nahita fa lehilahy ity koaitra. Nitaky ny hamerenana ny volany roa alina ariary vidim-pitombenana nifanarahana izy, nefa tsy nety namerim-bola sady tezitra ilay sarimbavy, ka raikitra ny fifamaliana, niafara tamin’ny fikasihan-tànana. Voadaroka rangahy, ka naratra ary noraofin’ilay mpivarotena ny sakaosy teo amin’ny tany, dia lasa izy nitsoaka niaraka tami’ny volabe ary mbola karohina hatramin’izao. Raha ny zava-misy ao Toliara ao, tsy ny sipakely ihany amin’izao no mivarotena fa hatramin’ny boaikely. Sodoma sy Gomora e !
Manitrisa