Lehilahy iray sahabo ho 30 taona, diso fanantenana tamin’ny vadiny vokatry ny ady lavan’izy sy ny rafozany, no maty nananton-tena tamin’ny tady tao an-tranony afak’omaly tolakandro, tao amin’ny fokontany Amboroneoke Toliara. Tsy nisy nanampo ny fihetsiny sy fanapahan-keviny ny rehetra ka samy gaga nahita azy nihantona efa tsy nisy aina intsony. Raha ny fanazavana azo dia niady lava izy sy ny rafozany, satria tsy ankasitrahan’ireto farany ny fiarahan’izy mivady, nefa nisisika niaraka teny foana izy roroa noho ny herin’ny fitiavana. Kiana sy gidraka lava anefa no setrin’izany avy amin’ny fianakaviam-badiny. Kivy tanteraka ity lehilahy ity ka hany heriny nanampitra ny ainy namono tena.
Manitrisa