- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy 32 taona namoy fo, maty nisotro poizina

Toliara : Lehilahy 32 taona namoy fo, maty nisotro poizina

Raim-pianakaviana iray 32 taona, manan-janaka mianadahy, voalaza fa mipetra-drery nilaozan’ny vady aman-janany, no maty rehefa avy nisotro poizina. Ny fahitana tavoahangy plastika nisy sisan-toaka sy tavoahangy kely nisy poizina famonoana bibikely teo anilan’ny vatana mangatsiakany tao an-tranony, omaly naraina, no nironan’ny tombana fa namono tena izy, satria tsy nahitana dian-dratra na vono teny amin’ny vantany, raha araka ny fanazavana azo. Ny tolakandron’ny alahady teo, dia efa niteny tamin’ny teo amin’ny manodidina sy ny havany ity lehilahy ity, fa aleony maty toy izay hijaly sy ho afa-baraka. Tsy nisy niraharaha izany teniny izany ny rehetra, fa hoe mamo indray i L. (anarany) dia mirediredy.  Nony naraina ny andro, dia taitra sy ankona ny anabaviny, fa hatramin’ny 9 ora sy sasany, dia mbola tsy nivoaka ny trano ity anadahiny, izay voalaza fa tokony hanamboatra ny tranon-jandriny vao maraina. Nodondomina ny varavaran’ny tranony kanefa tsy nisy namaly, ka rehefa nosokafana dia vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony no hita nivalapatra somary niforitra teo am-pandriana. Noho ny famoizam-po vokatry ny olana ara-pitiavana sy ny trosa niavosa, dia efa indroa tao anatin’ny iray volana ity lehilahy monina ao amin’ny Fokontany Tanambao Sanfily Toliara ity no nikasa nanapitra ny ainy. Efa nalain’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakany, ary halevina ny alarobia izao ny razana, raha ny fantatra araka ny tati-baovao voaray farany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici