- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy 45 taona, nitsoraka tao ambany kamiao

Toliara : Lehilahy 45 taona, nitsoraka tao ambany kamiao

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 45 taona no nitsoraka tao ambany kamiao nitondra mpanao fampielezankevitra, omaly antoandro, tao amin’ny fokontany Champ de Foire Tsimenatse Ouest, amin’ny làlana mihazo ny seranan-tsambon’ i Toliara iny. Taitra ny rehetra ary nihoraka. Fitahian-janahary no tsy nahafaty an’ity lehilahy, satria nijanona tampoka ilay fiarabe, soa ihany koa fa tsy nandeha mafy, raha tsy izany dia voahosin’ny  kodiarana roa lehibe aoriana ilay rangahy, ka nandriaka indray ny rà. Tsy vitan’izay fa mbola nitsoraka fanindroany tamina fiara 4×4 nandalo teo indray izy rehefa tafatsangana, nefa nijanona tampoka ity fiara tsy mataho-dalana raha vao nahita azy hanidina iny. Natory ary tsy nety niala teo am-povoan’arabe ity lehilahy ity, raha tsy minitra maromaro.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici