Lehilahy iray no hita faty tao anaty kirihitr’ala, tsy nisy tongatra havia intsony, tsy teo ihany koa ny maha lehilahy azy, ny alahady teo, tao amin’ny fokontany Ampasinabo, kaominina ambanivohitry Mitsinjo Betanimena, distrikan’i Toliara II. Hatramin’izao raha ny vaovao voaray, tsy fantantra ny tena nahafaty ity raim-pianakaviana ity. Olona sendra hivoaka (hikaka) maraina no nahita ny razana tao anaty kirihitr’ala, ka nampandre avy hatrany ny sefo fokontany. Ny fanazavan’ny BMH any an-toerana no nahafantarana fa efa maty dimy andro ity lehilahy ity faty ity, ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Nalevina avy hatrany ny razana efa simba taorian’ny fizahana tsy maintsy nataon’ny tompon’andraikitra.
Manitrisa