- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy misoloky amin’ ny alalan’ ny varotra fiara

Toliara : Lehilahy misoloky amin’ ny alalan’ ny varotra fiara

Tsy kely lalana, tsy misy tandroka ny ratsy ankehitriny ary tsy mifidy taona intsony amin’izao. Rangahy lehibe iray efa mananika ny 70 taona, manao fitafiana mihaja sy maontina no voatonontonona fa manao fisolokiana sy fivadiham-pitokisana amin’ ny alalan’ ny varotra fiara tsara tarehy ao Toliara. Raha araka ny voalazan’ ny loharanom-baovao dia vola an-tapitrisa maro no efa azony tamin’ ireo lasibatra. Manana fiara iray tsara tarehy ity rangahy ity, ary asiany soratra hoe amidy izy io, ka maro no roboka manontany. Rehefa reseny lahatra ireo tafajabaka tsy avy hatrany dia alainy avokoa ny vidin’ ny fiara, fa maka vodiondrim-barotra izy. Misy ny antsasa-bidy ihany no takiny, ary ampiandrasiny kosa ny fikarakarana ny antontan-taratasy avy eo. Rehefa tonga ny mpividy handoa ny vola ambiny rehetra dia arirarira ilay olona, ary milaza sy mitsipaka marindrano izy fa tsy nandray izany vola ary tsy amidiny ny fananany, toy ny tranga ny faran’ny herinandro teo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici