- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy “mpamosavy”, saika nodoroina velona

Toliara : Lehilahy “mpamosavy”, saika nodoroina velona

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona no saika matin’ny fitsaram-bahoaka, ny asabotsy hariva teo, tany amin’ny tanàna kely iray antsoina hoe  Anketa, Kaominina ambanivohitry Andranovory, distrikan’i Toliara II. Niara-nisotrosotro toaka niaraka tamin’ olona iray teo an-tanàna ity rangahy monina ao Andranovory ity ary nilaza fa, efa nahafaty olona roa tao Anketa tamin’ny fanapoizinana. Nisy naheno ny fitantarany ary nanaitra olona iray tsy lavitra teo izany. Nandeha niantso avy hatrany fianakaviana tovolahy iray maty tamin’ny fomba hafahafa teo an-tanàna ity farany. Nanontaniana indray ilay rangahy dia mbola namerina sy namaly hoe : « nanapoizina ary nahafaty olona roa ». Nahasorena sy nahatezitra mafy ny havan’ny niharam-boina ny zavatra nolazainy. Avy hatrany dia nisy olona namatotra azy mba hanaovana fitsaram-bahoaka sy hodoroina. Soa fa nisy olom-be an-tanàna iray tompon’andraikitry ny fokontany naheno ny sakoroka ka tonga; izay nahafantatra an’ity rangahy efa mamo ary mbola nirediredy ity.Nilaza sy nandresy lahatra ireo olona efa lian-dra teo, fa « miteniteny fahatany ohatra ny olona adala io lehilahy isaky ny mamo », ka tsy tody hatramin’ny farany ny fitsaram-bahoaka, na dia efa mangan’ny daroka aza ny tavany.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser