- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy nahatratrarana vola sandoka mahery ny Ar 3 tapitrisa

Toliara : Lehilahy nahatratrarana vola sandoka mahery ny Ar 3 tapitrisa

VOLARaim-pianakaviana iray 47 taona antsoina hoe : Manitsignavy (renita), avy any Ambondro distrikan’ Ambovombe Androy, monina sy mivarotra ao bazary Scama ao amin’ny fokontany Betania Toliara,  manan-janaka 14, no nahatratrarana vola sandoka iray alina ariary mitentina ar 3 850 000 omaly tolakandro tokony ho tamin’ny efatra ora. Voalazan’ny polisy misahana ny famotorana fa narahimaso efa hatry ny ela ity jiolahy ity noho ny anarany voatonotonona foana amin’ny  asa ratsy isan-karazany, indrindra ny fanafihana mitam-piadiana nampalaza ratsy an’i Toliara iray volana lasa izay. Malaza ratsy sy ikoizana amin’ny trafikana bala sy basy ihany koa i Renita, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana.

Olona tsara sitrapo no nanome vaovao ny polisy. Taorian’izay, nosavaina ny tranon-dRenita ka tratra tao ireo vola sandoka an-tapitrisany, raha zavatra hafa nokarohin’ny polisy. Androany hariva hoy kaomisera Lebiria Rufin Tolojara no hatolotra ny fitsarana ity jiolahy ikoizana ao Toliara ity. Nambaran’ity manam-boninahitra ambony ao amin’ny polisy ity fa mafy vava tsy mety miteny izay jiolahy tratra, ka mampanano sarotra ny mpitandro filaminana ny fikarohana ny namany, sady misy koa olona ambony sy mpanao politika miaro azy ireo.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser