Roalahy samy efa mamo, voalaza fa mpinamana izay avy niara-nirevy tamina “bar” iray tao Sanfily Toliara no niady, afak’omaly alina, ka naratra mafy vaky loha voavely tavoangin-toaka sy niboraka tsinay ny iray, izay raim-pianakaviana manodidina ny 35 taona eo. Raha ny angom-baovao, dia resa-bola fito arivo Ariary no fototry ny olana teo amin’ireto mpinamana mpiara-mibata entana. Nilaza ilay naratra fa very ny vola karaman’izy roalahy nibata entana napetraka tany aminy izay tokony hozaraina, ka niakatr’afo romotry ny hatezerana ity namany, ary tsy nisalasala namono an’ity mpiara-miasa aminy tamin’ny tavoangy toaka teny an-tanany. Olona sendra nandalo tratra alina no namonjy an’ity lehilahy naratra mafy efa nitolefika tsy nahatsiaro tena nihosin-drà.
Eric Manitrisa