- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy tra-tehaka nangala-jaza, niharan’ny hatezeram-bahoaka

Toliara : Lehilahy tra-tehaka nangala-jaza, niharan’ny hatezeram-bahoaka

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona, voalaza fa marary saina no saika matin’ny fitsaram-bahoaka, ny asabotsy antoandro teo tany Toliara.  Raha ny vaovao voaray tonga dia nobedain’ity lehilahy ity ary nentiny nitsoaka avy hatrany ny zazavavy kely iray dimy taona nilalao teo an-tokontany. Nikiakiaka sady nitomany mafy ilay ankizy, ka io no nanaitra ny manodidina sy ny reniny tao an-trano. Raikitra avy hatrany ny antsoantso hoe : mpangala-jaza. Rehefa nenjehina izy dia tratra, nefa nanohitra ireo nisambotra azy, ka tezitra ny olona, ary raikitra ny vono sy daroka. Rapa ny tarehiny, nividana sady nivoa-drà ny vavany sy ny orony. Rangahy iray sendra nandalo nahafantatra an’ity mpangala-zaza no nilaza tamin’ny fokonolona teo, fa adala noho ny fifohana rongony io, raha tsy izany dia saika zavatra hafa no nitranga. Raha ny fanazavana azo dia fomban’ity lehilahy noheverina ho mpangala-jaza ity no tonga dia maka ankizivavy mitovitovy taona tamin’ny zanany efa maty. Ireo olona mahafantatra azy moa dia tsy mivaky loha intsony amin’ny fombany (tsy tompon’ny tenany ?), fa maka moramora ny zaza eny an-tanany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici