- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy tratra nampirafy, nokaikerim-badiny ny lelany ka tapaka

Toliara : Lehilahy tratra nampirafy, nokaikerim-badiny ny lelany ka tapaka

Lehilahy iray 33 taona manan-janaka efatra no bory lela nokaikerim-badiny ny alakamisy teo ka naratra mafy ary nijininika ny ra. Tsy hay izay tena marina fa raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao izay namafisin’ny teo amin’ny manodidina tsy lavitra ny trano fonenan’ireto mpivady ireto no nahafantarana fa tratran-dramatoa vadiny nampirafy ity raim-pianakaviana ity. Hitan-dramatoa nifanoroka tamina sipakely tao anaty « bar » iray tao Barazibe rangahy ny asabotsy 2 aogositra lasa teo. Rafitra ny ady rehefa tonga tany an-trano ity raim-pianakaviana ity ary nilamina ihany avy eo, kanefa mbola tratram-badiny nampiaraka tamin’io sipakely io indray ny alarobia teo. Tsy niteny tsy nivolana ity renim-pianakaviana ity. Ny alin’ny alakamisy teo anefa, iny tsy nanampo na inona na inona iny rangahy teo am-panaovana firaisana ara-nofo izy mivady no nokaikerin-dramatoa ny lelany, ka naratra ary saika bory mihitsy raha nisy kely.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser