Lehilahy iray 42 taona avy any Ampanihy Andrefana nivahiny tao Toliara niaraka tamina mpivarotena voalaza fa tsy nandoa volana makorely no naratra mafy voatsindrona antsy. Araka ny loharanom-baovao voaray rehefa raikitra ny vola nifanarahana 12 000 ariary dia tany amin’ny tranon’ilay mpampanofa tena no niray sy niara-natory izy roa, ny talata alina teo. Raha vao nangiran-dratsy anefa ny andro ny alarobia maraina dia asa izay niseho tao an-trano, fa raikitra ny fifamaliana ary niafara tamin’ny fikasihan-tànana ny gidraka,ka nanaitra ny torimason’ny manodidina.
Nentin-katezera ilay makorelina fa sady tsy hahazo vola ihany no mbola voadaroka ka naka antsy tany an-dakozia izy. Nolerany an’io avy hatrany ilay lehilahy niaraka taminy ka naratra. Nahay niala ity farany, nisolifatra tamin’ny tànany ny antsy. Raha tsy izany dia nilentika teo amin’ny kibony. Lasa nandeha ilay rangahy rehefa nanomboka nitangorona ny olona.
Manitrisa