Matetika dia misotro poizina na mihinana karazam-panafody maro na avy hatrany, dia mitsoraka eny amin’ireny renirano ireny ny ankamaroan’ny olona mamono tena. Trangam-piarahamonina hafakely sady nampalahelo no mampihomehy, nahatsiravina no niseho tao amin’ny fokontany Andaboly Toliara, omaly antoandro, tovolahy iray 22 taona no namono tena tamin’ny rano mangotraka, ka may nitsovaka avokoa ny faritry ny tenany iray manontolo hatreny amin’ny tongotra. Toy ireny mandro ireny mihitsy ity tovolahy no nanondraka rano mangotraka ny vatany ary izy nikiakiaka nitoreo mafy no nanaitra ny manodidina, ka nikoropaka ny rehetra nandeha nijery ny zava-misy. Nentina haingana namonjy tobim-pahasalamana ity tovolahy diso fanantenana ara-pitiavana saika hanapitra ny ainy ity, ka avotra soa aman-tsara.
Lasa nandeha nanambady lehilahy hafa ny olon-tiany. Raha ny fanazavana azo, dia nisarahan’ny olon-tiany tampoka ny alatsinainy teo ity tovolahy ity, satria lasa nandeha nanambady lehilahy hafa ilay sipany. Tsy tantin’ity tovolahy ity intsony ny olana ara-pitiavana sedrainy ka ny hanapitra ny ainy foana no masaka tao an-tsainy, na dia efa noresen’ny havany lahatra nandritra ny roa andro aza, raha saika hamono tena hitelina poizim-boalavo ny talata teo, ary efa notolorana vehivavy hafa (araka ny fomban-tany misy) ho solon’ilay sakaizany tsy foiny. Mahery tokoa ny fitiavana ka mampanaotao fahatany ny olona sasany.
Eric Manitrisa