- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lozam-pifamoivoizana, olona iray maty, dimy hafa naratra mafy

Toliara : Lozam-pifamoivoizana, olona iray maty, dimy hafa naratra mafy

 Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tany Toliara, afak’omaly. Tovolahy iray mpamily ao amin’ny oniverisiten’i Toliara no maty tsy tra-drano nodomin’ny kamiao tao mangily. Tsy ity mpamily ity ihany no niharan-doza tamin’io fa mbola nisy olona telo hafa ihany koa naratra mafy, ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara ankehitriny. Ankoatra azy ireo dia lehilahy roa hafa izay mpitondra posy bisikileta sy mpandeha an-tongotra koa no naratra mafy samy torana tsy nahatsiaro tena nofaohina fiara R12 tao Tsienengea, ny andron’ny alarobia io hatrany. Tsy niala andraikitra kosa aloha ilay mpamily nitondra ilay fiara fa nijery akaiky ireto naratra, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici