- Publicité -
mercredi, septembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mamo nandeha môtô, naratra mafy

Toliara : Mamo nandeha môtô, naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tamin’ny RN9, afak’omaly maraina, tokony tamin’ny valo ora, tao Tsigoritelo, 13 km miala ny tampon-tanànan’i Toliara, teo anelanelan’ny tanànan’i Belalanda sy Mangily. Roa lahy voalaza fa mamo nanao taingin-droa tamin’ny môtô nandeha mafy no nianjera tao anaty fidinana sady fiolahana, ka niara-tapa-tongotra sy vaky loha ary safotra tsy nahatsiaro tena. Fiara sendra nandalo nahita ny loza no namonjy haingana ny niharam-boina, izay manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara ankehitriny. Araka ny fanazavana azo, dia  tapaka ny fe roan’ ilay raim-pianakaviana 35 taona nitondra, raha tapaka tarangana nipitika, ary mbola tsy hita kosa hatramin’izao ny tongotra havian’ilay tovolahy 30 taona nentina tao aoriana. Noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia mbola miady mafy amin’ny fahafatesana ireto roa lahy tra-doza naratra mafy vita fandidiana, raha ny tati-baovao azo farany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici