- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Manala azy vita bacc, mpianatra telo safotry ny toaka

Toliara : Manala azy vita bacc, mpianatra telo safotry ny toaka

Lasa lamaodin’ny tanora efa an-taonan’ny maro ny « manala azy vita bacc », satria hono manala rarin-tsaina na “stress” fa navesatra loatra ny niatrehana ny fanadinana bakalorea nandritra ny hefarana, ka tsy vitsy ireo mpianatra/mpiadina nisafidy fety aman-danonana. Indrindra ny amin’ny alina, nanomboka ny zoma teo, mba hialana voly. Raha ny ao Toliara dia efa lasa fahazarana saika isan-taona, na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy ny fandraisana zavapisotro misy alikaola amin’ny fety vita bacc.

Tsy nahatsiaro tena. Ny asabotsy alina teo dia mpianatra telo no saika maty vokatry ny fisotroana toaka tafahoatra, ka tovovavy vao 17 taona ny iray. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao dia niboboka toaka nanomboka ny tolakandro ireto andiana mpianatra maromaro ireto. Ny telo anefa tsy tafatsangana intsony sady nalemilemy no tsy nahatsiaro tena, ka voatery nentina haingana notsaboina.

Fahazaran-dratsy. Raha ny torohevitry ny mpitsabo anefa dia tsara raha mitsotra kely maka rivotra madio amin’ny toerana lavitry ny kotaba aorian’ny fahavitan’ny fanadinana bakalorea. Na mijery fampisehoana sy hetsika ara-javakanto, sady mampiala voly io no mampivelatra ny fahalalana. Fa ny toaka sy ny zavamahadomelina kosa, hoy izy, manimba ny fahasalamana ary mety hitera-doza ny fahazaran-dratsy, indrindra ho an’ny tovovavy ho mora viravirain’ny lehilahy.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser