Lasa lamoady tao anatiny taona maro ny « Manala azy vita Bacc ». Misy tsy mahafehy tena ny tanora sasany mandritra izany, ka manaotao fahantany, ary saika isan-taona dia misy foana ny gidraka, vokatry ny tsy fahazakana zava-mahadomelina. Afak’omaly alina, tovovavy iray nanala azy vita baka no naratra mafy niboba rà torana vaky loha voavely tavoahangy tao Bazaribe Toliara. Raha ny fantatra araka ny tati-baovao azo, andian-tanora maromaro no niara-nirevy tamina « bar » iray. Noho ny resaka ady sipa, nifandramatra ny tovovavy roa. Tsy nahatanty tsindry sy taim-bava ny iray ka tezitra, ary avy hatrany naka tavoangina labiera mbola feno teo ambony latabatra sady nively izany tamin’ny lohan’ilay tovovavy nifamaly taminy. Tao anatin’ny « Manala azy vita Bacc » izay hatrany, dia tovolahy iray mpikarakara lanonana nitaky vola “cotisation” dimy arivo no naratra mafy voatsindron’ny antsy teo amin’ny takibany havia, ary mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao. Raha ny fanazavana azo, tsy nety nandoa vola nifanarahan’ny rehetra ity tovolahy iray nilaza ho tsy manana, kanefa nisotro foana sady mbola nitondra namana iray nanao “mimi” niaraka taminy ihany koa. Tsy nijanona tao anatin’ilay toeram-pialamboly iray teny Amoron-driaka ny fifamaliana fa nitohy taty ivelany. Tampoka teo, nihiaka mafy ilay tovolahy mpikarakara ny fety voatsindron’ny antsy. Raha vao nahita an’izany ireo namany dia nanenjika an’ilay nahavanon-doza, kanefa tsy tratra ity farany, ary mbola karohina fatratra amin’izao, raha ny loharanom-baovao maripototra voaray farany.
Eric Manitrisa