- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversToliara - « Masobe tsy mahita » : lasa ny vola fisotroan-dronono...

Toliara – « Masobe tsy mahita » : lasa ny vola fisotroan-dronono azo

Tsy mifidy asiana ny olon-dratsy tsy mataho-tody amin’izao. Ny zoma teo tany Toliara, dia ramatoabe iray 76 taona vao avy naka vola fisotroan-dronono no tratry ny masobe tsy mahita, ka very tamin’izany ny volany rehetra nitentina 260 000 ariary. Tsy nanampo n’inon’inona ity ramatoabe ity, ka iny saika hividy hena hatao laoka antoandro iny, rehefa nanokatra paoketra iny no tsy tao intsony ny vola rehetra « pension de retraite ». Fanina saika safotra ny tenany. Tsy maintsy midi-trosa indray ny niharam-boina hamakivakiana ny iray volana. Tato ho ato, raha ny angom-baovao miverina indray ny masobe tsy mahita (fanendahana sy sinto-mahery par silence), ary matetika lasibatra ireo beantitra. Misy mahafantatra ireo mpanao ratsy, nefa matahotra mitoroka ny olona noho ny tahotry ny valifaty sy antsonjay.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser