Maty afak’omaly tany Toliara ilay tovovavy 22 taona niteraka zaza sampona niendrika kisoa, ny alarobia heriny teo. Raha ny vaovao voaray avy tany an-toerana, dia noho ny tsy fahatomombanana tamin’ny fiterahana, satria mbola nisy ahitra tavela tao an-kibony no nitarika ny fahafatesany. Tsiahivina fa ora roa taorian’ny niterahany ny zanany sampona, dia maty namoy ny ainy ilay zaza vokatry ny fahasemporana, ary nalevina avy hatrany noho ny fomban-tany. Nanala zaza nitelina karazam-panafody ity tovovavy ity teo amin’ny fahatelo volan’ny kibony, nefa tsy nety niala ny zaza tao am-bohoka. Teraka soa aman-tsara ihany izy ny 18 febroary teo, teo vao samy taitra ny rehetra nahita ity zanany niendrika kisoa. Ny amin’iny faritra Atsimo iny rahateo, mbola vitsy isa ireo vehivavy mitondra vohoka manatona mpitsabo/tobim-pahasalamana sy tokony hanao “échographie”, mba hahafantarana ny mombamomba ny zaza ao an-kibo.
Eric Man