Taorian’ny fiakaran’ny Jirama, vidim-bary, solika, entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana anadavanadro, dia nahitam-piakarana ihany koa ny vidin’ny fanafody ao Toliara tampon-tanàna sy amin’ireo kaominina sy Distrika manodidina, ka mampikaikaika ny maro, indrindra fa ireo manana ny marary miditra hopitaly, satria tsy zakan’ny vola intsony ny vidim-panafody midangana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo toeram-pivarotanam-panafody, dia ny fitotongan’ny Ariary no tena antony mampidangana ny vidim-panafody, satria maro amin’ ireo fanafody amidy eto amintsika no hafarana avy any ivelany, hoy ity farmasianina iray. Misy ihany koa anefa ireo fanafody fampiasa matetika toy ny fanafody gripa, tosidra, fahasemporana, izay sarotra hita amin’izao ary misy tena lany tanteraka, ka manararaotra mampiaka-bidy ireo toeram-pivarotana izay mbola manana. Dia ny vahoaka madinika hatrany no kenda roroka sy tena voa mafy amin’ny fiakaram-bidy misy sy mahazo laka ankehitriny, kanefa ny vola miditra isan-tokantrano tsy mihetsika akory.
Eric Manitrisa