- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Miandahy miambavy hatramin’ny ankizy mitsindroka zaoridira

Toliara : Miandahy miambavy hatramin’ny ankizy mitsindroka zaoridira

Lalim-paka ny fahantrana. Mitombo isa saika isan’andro, ireo tsy an’asa sy olona sahirana ara-pivelomana teren’ny fiainana; izay mitady ny harapaka anio mitsindroka fako zaoridira ao Toliara. Miandahy miambavy ny manao izany  ary mirotsaka hatramin’ ireo ankizy tsy ampy taona tokony mbola ho any an-tsekoly. Manampy sahady ny ray aman-dreniny amin’ny fitadiavana maka sy manangona ireo harona « sachet plastique » sy potin-tsaribao ary entana hafa azo avadika ho vola hividianana sakafo. Misy maka sy manangona hatramin’ny sakafo masiso efa simba. Vao migadona ny fiaraben’ny kaominina manary fako, dia mirohotra ny olona ary misy ny vaky ady mihitsy, toy ny tranga omaly maraina tao Anketraka Tsongobory, toerana fanariam-pako iray avaratry ny tanànan’i Toliara. « Teren’ny fiainana noho ny kibo tsy mba lamosina, dia hadino tanteraka ny henatra sy ny vavan’olona ary miaritra ny fofona maimbo manempotra toy izao izahay, zara raha mahazo 400 ariary isan’andro », hoy ireo mpitsindroka fako.
Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser