Ambava loza indray ny fahasalamam-bahoaka ao Toliara ankehitriny, ka anaovana antso avo amin’ ireo tompon’andraikitra sy hanentanana hatrany ny mpanjifa mba ho mailo amin’ny sakafo hanina, indrindra fa ireo amidy eny amoron-dalana. Miparitaka mameno tanàna amin’izao ireo mivarotra ronono soja haroina miaraka amin’ny Spartam, izay asidra mamy manimba ny voa, kanefa sarotra be ny mitsabo izay tratran’ny aretina, hoy ny mpitsabo. Mora moa ity ronono hafakely ity, ka maro amin’ireo olona tsy mahafantatra no roboka sy mankafy azy. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny dokotera manam-pahaizana hatrany, dia tsy tena siramamy ny Aspartame, fa asidra mamy natokana ho fanafainganana ny « fermentation » amin’ny voaloboka havadika ho divay, ary tsy azo hanina manta na atao amin’ny sakafo. Raha mitaha amin’ny siramamy tena izy mahazatra andavanandro moa, dia mora kokoa ny vidin’ ity akora simika ity : 1.000 Ariary ny « sachet » kely iray telo tsongo, izay mahamamy rano maherin’ny 15 litatra, ka maro amin’ireo mpivarotra izay tsy miraharaha akory ny fahasalaman’ny mpanjifany no mampiasa Aspartame hanamamiana dite, kafe, ronono, jus, . . .
Eric Manitrisa