Lalim-paka ve ny fahantrana sa ny fampiharana ny lalàna velona misy eto amintsika no goragora ka migalabona ny mpanao ratsy ? Vao nivoaka ny talata 27 mey teo ho azo jifaina manerana ny nosy ny horonantsary « Adisanina be galona » novokarin’ny « Scoop Digital » dia efa vita piraty, io andro io ihany, ary miparitaka sy amidy eny rehetra eny. Roa arivo ariary ny Vcd hosoka iray, raha Ar 4 500 ny orizinaly. Ifandrombahan’ny olona ity « Adisanina 2 » ahitana an-dRajao sy ny tariny ity. Mandeha ny tsena tao anatin’ny telo andro, hoy ireo mpivarotra kapila hosoka. « Ambany ny fahefa-mividin’ny mpanjifa mpankafy, te-hiala voly ny mpianakavy, ka tsy mijery kalitao intsony fa mividy na dia hita izao aza fa vola an-tapitrisany mahery no lanin’ny trano mpamokatra vao mahavita horonantsary iray toy izao », hoy ity ramatoa iray tsy naka sarotra. Tsy ela fiasa ny mpanao hosoka ao Toliara.
Manitrisa