Asan-jiolahy hafakely ary trangam-piarahamonina mahavalalanina ny maro tato ho ato, ka mampametra-panontaniana ny mponina, ny firongatry ny halatra alika sy saka ao Toliara, hoe : ataon’ireo mpangalatra ireo inona marina ? Satria tsy mifidy intsony ireo mpangalatra na alika kely io na lehibe na ratsy karazana na alika mirenireny dia lasibatra avokoa. Fokontany maro no ahitana an’ity tranga ity efa amam-bolany maro, raha ny fanazavana samihafa voaray. Manoloana izany bizina hafakely izany, dia betsaka ireo mpiompy alika sy saka no mitaraina ny amin’ny firongatry ny halatra ireto biby any an-toerana. Amin’ny zanak’alika sy ireo saka, dia efa mitandrina fatratra ny tompony ary manao izay tsy hivoahan’ireo biby ivelan’ny fefy mihitsy.
Lafo vidy. Tovolahy iray mpivarotra kitay menaka mandehandeha no tratra nangalatra saka roa, omaly maraina, tao amin’ny fokontany Tsimenatse. Nataony tao anaty gony ireo biby ka ninananan’ ny hasemporana, izay nanaitra ny manodidina. Rehefa nofotorana ity mpangalatra dia nilaza fa hamidiny amina teratany vahiny efatra alina ariary ny vanton-tsaka iray. Ny nanaitra, raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso nitatitra ny vaovao tamin’ny mpanao gazety, dia lafo noho ny saka ny vidin’ny alika iray, raha ao amin’ity teratany vahiny ity, araka ny voalazan’ity tovolahy ity hatrany. Raha ny nambaran’ny loharanom-baovao marim-pototra kosa, dia ompiana aloha ireto biby, ka rehefa matavy dia vonoina ka hohanina.
Eric Manitrisa