Maro ny mpanjifa sy mpampiasa fiarakodia ao Toliara sy ny manodidina amin’izao fotoana izao no mimenomenona amin’ny kalitaon’ny solika jifaina, izay toa solika mitampoka sy ratsy. Raha ny fanazavan’ireo mpaninjara solika anefa dia mitovy tsy misy valaka amin’ny kalitaon’ilay karazan-tsolika efa nampiasaina teo aloha ihany izy ity, satria tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mpanjifa ny kalitaon’ny solika tena tsara, izay sandaina 4.500 Ariary ny litatra. Izany hoe sokajiana ho solika sady tsy ambony no tsy ambany ny vokatra amidy eto amintsika. Fanontaniana ilana valiny haingana avy amin’ny tompon’andraikitra napetraky ny maro ny hoe : mifanaraka amin’ny karazana fiara efa niasa, izay betsaka eto an-toerana, ve ity solika mitampoka ity?
Manitrisa