- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mitohy ny fivarotana sy fihinanana soka-dranomasina

Toliara : Mitohy ny fivarotana sy fihinanana soka-dranomasina

Maso mahita. Mitohy amin’izao ora anoratanay izao, ny fihazana, ny fivarotana ary ny fihinanana soka-dranomasina ao Toliara, indrindra ny ao amin’ny fokontany Mahavatse ampitan’ny biraon’ny Zandary. Raha ny angom-baovao, dia fano roa isan’andro no novoina ka amidy masaka 500 ariary ny tetika iray. Na misy ny fandrarana sy fanentanana amin’ny alalan’ny fanaovana petadrindrina sarin’ireo trondro sy soka-dranomasina mety hitondra poizina, nefa tsy mahasakana ny olona tsy hihinana ny fihinanany izany.

Noho ny tsy fandraisana andraikitra angamba sa antony hafa ? Tsy misy miraharaha na tsy raharahan’ny olona ny naoty nataon’ny praiministra teo aloha, Omer Beriziky, izay nahafahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny Harena an-dranomasina nanao ny didy laharaha faha-12666/2014 ny 23 marsa 2014, milaza ny famerana ny soka-dranomasina ho tahiry tsy azo jonoina noho ny nisian’ireny fahapoizinana azo avy amin’ny soka-dranomasina tao Toliara sy Antalaha ireny. Farany teo tany Mahajanga, nahafatesana olona ary mbola misy marary amin’izao ao amin’ny hopitaly Androva. Marihina fa voasokajy ho biby arovana atahorana ho lany tamingana efa voasoratra tao amin’ny annexe I ny CITES ny fano nanomboka ny 1981. Raha ny tokony ho izy dia mampanaja ny fiarovana azy ireo ireo firenena rehetra manao sonia ny fifanarahana ka anisan’izany i Madagasikara.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser