- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mitokona ireo mpivaro-kena

Toliara : Mitokona ireo mpivaro-kena

Tsy faly amin’ny fampiakaran’ny kaominina 8 000 ariary ny saram-pamonoana omby iray, raha Ar 3 000 izany teo aloha

Nanomboka ny alakamisy teo, noho ny fitokonan’ireo mpivaro-kenan’omby ao Toliara, tsy nisy na dia tamingana hena iray gramma aza hita teny ambony akalana. Vokatr’izany, lasa manao karemy tsy fidiny ny vahoaka mpanjifa hena. Raha ny fanazavana azo dia tsy faly manoloana ny fampisondrotan’ny ben’ny tanàn’i Mitsinjo Betanimena ny saram-pamonoana omby ao Betanimena no fototry ny grevy. Teo aloha dia 3.000 ariary isaky ny omby no aloa amin’ny kaominina, amin’izao kosa nakarina ho valo arivo ariary. Tsy faly manoloana io fiakaram-bidy io ireo mpivarotra henan’omby rehetra ao Toliara, ka niray hina nitokona tsy nety nisy nivarotra. Ireo hena tsy lany tamin’ny alarobia ihany no hita namidy teny an-tsena. Raha ny vaovao voaray farany dia mbola mitady vahaolana miaraka amin’ireo tompon’ andraikitra ireto mpivarotra, ary tsy hivarotra mihitsy izy ireo raha tsy midina ho 4.000 ariary ny vola haloa amin’ny kaominina.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici