- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mitombo isa hatrany saika isan’andro ireo sahirana mitsimpona fako

Toliara : Mitombo isa hatrany saika isan’andro ireo sahirana mitsimpona fako

Lalim-paka ny fahantrana, mitombo isa hatrany saika isan’andro olona tsy an’asa sy sahirana ara-pivelomana mitsimpona fako eto Toliara. Ny ankamaroan’izy ireo dia ankizy tsy ampy taona tokony mbola any an-tsekoly, nefa manampy sahady ny ray aman-dreniny amin’ny fitadiavana maka sy manangona ireo « sachet » sy potin-tsaribao ary entana hafa azo avadika ho vola hividianana sakafo. Zara raha mahazo 400 ariary isan’andro ny mpitsipona fako iray amin’ny zaoridira.

Miaritra fofona maimbo. Teo aloha maro ny menatra. Teren’ny fiainana anefa noho ny ny kibo tsy mba lamosina sy ny fitadiavana mahazaka maniraka, ka tsy heno intsony ny fofona maimbo manempotra sy ny vavan’olona, hoy ireto mpaka fako sendra anay omaly. Raha ny fanazavana azo dia misy mividy ireo harona tsilena (sachet) voaangona ary ny potin-tsaribao kosa handrahoana sakafo. Mirohotra ny olona ary raikitra ny ady raha vao tonga ny fiaraben’ny kaominina manary fako, toy ny tranga omaly naraina tetsy Tsongobory toerana fanariam-pako iray avaratry ny tanànan’i Toliara. Misy maka hatramin’ny sakafo masiso efa simba.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser