Noho ny fahasahiranana lalim-paka misy ankehitriny dia mitombo isa saika isan’ andro ireo ankizivavy tsy ampy taona manambady na ampanambadiana, ka matetika dia lehilahy lehibe “mpanarivo” manana omby maro no tiliana haka vady azy ireo. Tsy vitsy ihany koa ireo ajampela atosiky ny ray aman-dreniny mivaro-tena ao Toliara, ka misy amin’izy ireo no mbola mianatra ka najanon’ny ray aman-dreniny amin’ny fianarany mihitsy, fa lasa mitady vola entina mivelona sy hanampiana ny ao an-trano amin’ny filana arapaka andavanandro.
Mandrato mpanjifa eny amin’ireo tsenan’omby. Tsy vitsy amin’ireo tovovavy mbola kely mivaro-tena amin’ny antoandro no mandeha mandrato mpanjifa eny amin’ireo tsenan’omby mitily an’ ireo mpivarotra omby be vola, ka misy sasany amin’izy ireny no lasa vadikely, satria mbola fomban-tany mahazo laka any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fampirafesana. Vokatr’izany, dia mirongatra ny vohoka tsy irina sy ny aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro, satria betsaka amin’ireo ajampela mpampanofa fahafinaretana sy ny mpanjifa azy no tsy marisika amin’ny fampiasana kapaoty, hoy ny fanazavana azo.
Mitombo isa ireo ankizy mangataka sy mitsindroka fako. Noho ny fahasahiranana misy izay hatrany, ary maso mahita ao Toliara ao, dia mitombo isa saika isan’andro ihany koa ireo ankizy madinika manodidina ny dimy na enina taona mangataka, mitsindroka fako, . . . Misy amin’ireo kilonga efa lehibebe no mitsoraka amin’ny sinto-mahery sy asa fanendahana, ka raha vao tratra izy ireo dia mody mihetsika androbe ny sasany, toy ny tranga omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, tao Bazaribe.
Eric Manitrisa