Nanomboka ny fiandohan’ity volana septambra, dia niverina mahazo laka indray ny fahatapahan-jiro eto Toliara, renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny Serasera Jirama Toliara, dia ny fahasimbàna mitranga amin’ireo milina mpihary herinaratra, ka tsy maharaka intsony ny filana, satria mihena ho 3,5 mégawatts ny vokatra azo (45%), raha 8 mégawatts isan’andro ny filan’ny mpanjifa eto Toliara. « Milina lehibe miisa telo no mihary sy mamokatra herinanatra eto Toliara, ka ny iray amin’ireo ihany no miodina ankehitriny, ka tsy ampy ny vokatra atolotra ho tsinjaraina amin’ny mpanjifa avy eny amin’ny « central thermique » Andranomena, izay tantanany orinasa Enelec, no mahatonga ny fahatapahan-jiro miodina manomboka amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 10 ora alina », hoy Dieu Donné Rajerison. Mitarika ny fihenan’ny tosiky ny rano ihany koa izay fahatapahan-jiro izay, ka omaly maraina dia tapaka ny rano.
Nahoda