Ela nanaovan-dratsy ka sendra ny nahay azy. Mpamaky trano iray no voatodraka asidra teo amin’ny lohany sy tarehiny, afak’omaly alina, tao Antaninarenina Toliara. Raha ny fanazavana azo, dia nanohitra ary saika hanindrona zava-maranitra ny tompon-trano nisambotra azy ity mpangalatra. Niaro tena ilay raim-pianakaviana izay mpanao haihady, ka tsy naratra, ary nifampitolona ny roa tonta avy eo. Rehefa tsy naha hetsika intsony ilay jiolahy, dia nofafazan’ny tompon-trano ny asidra nentina nanafaizana azy. Araka ny tati-baovao azo, roalahy mpamaky trano no tafiditra tao amin’ity tokantrano iray, rehefa avy nisikotra ny varavarana, ny alin’ny alarobia teo, tokony tamin’ny 11 ora sy sasany. Raha vao naheno korontana tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ny tao an-trano dia taitra tamin’ny torimasony, ka vao nahita ny tompon-trano ny iray tamin’ireo jiolahy tonga dia nitsoaka, fa ilay tovolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka hafakely voatondraka asidra kosa nanohitra rehefa nosamborina saika handositra iny.
Eric Manitrisa