Lehilahy iray manodidina ny 35 taona eo, izay mpamily taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo no very vola 1,2 tapitrisa Ariary niaraka tamin’ny taratasin’ny fiara rehetra tao anaty « sac » kely nentiny, no nigogogogo nitomany nigagam-bahoaka nivoaka ny efitran-trano fandraisam-bahiny iray natoriany, tao Sanfily Toliara, omaly naraina, tokony tamin’ny enina ora sy sasany. Nihevitra ny olona nahita azy fa nisy maty, kanefa rehefa nitantara ny zava-misy ity raim-pianakaviana niara-natory tamin’ny tovovavy mpandehany ity, izay najavona niaraka tamin’ireo volabe vao maraina, vao akona ny rehetra. Raha ny fantatra, dia raiki-pitia tampoka tamina tovovavy iray mpandehany teny an-dalana ingahy saofera. Tokony niala tao Sakaraha ity « ajampela » voalaza fa tsara tarehy sy bikana ity, saingy nanaiky nanaraka an-drangahy hatrany Toliara. Rehefa tonga tao Toliara, dia naka « chambre » izy roa, ary niara-natory ny alina. Nony naraina ny andro, taitra sy gaga mafy ity mpamily tafafoha tamin’ny torimasony tsy nahita an’ilay tovovavy niara-natory taminy, ary najavona tsy teo amin’ny toerany nisy azy ihany koa ny « sac » kely nisy ny vola sy ny an-tontan-taratasin’ny fiara, ka latsa-nenina nigogogogo nitomany ity raim-pianakaviana ity nivoaka ny trano. Araka ny tati-baovao voaray farany, mbola tsy hita popoka hatramin’izao ny toerana misy an’ilay taranaky Eva sy ireo volabe.
Eric Manitrisa