- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Mpanarato maty navadiky ny lakana

Toliara : Mpanarato maty navadiky ny lakana

Nijojo be ny orana ny alin’ny asabotsy nifoha alahady teo tany Toliara. Talohan’io, nisamboaravoara sy nanonja be ny ranomasina vokatry ny Tsioka Atsimo nitondra tafio-drivotra mafy. Vokatr’izany, raim-pianakaviana iray nandeha nanjono no tsy fantatra na velona na maty navadiky ny lakana ny marain’ny 5 aprily teo, ka tsy mbola hita popoka hatramin’izao. Ny namany iray niray lakana taminy avotra soa aman-tsara rehefa nilomano nandritra ny ora vitsy taorian’ny namadihan’ny onja ny lakana nentin’izy mirahalahy mianaka ireto. Fefika ny lakana ka samy niezaka nanavotra aina avy eo ireo mpiandriaka. Kely ny fanantenan’ny fianakaviany ny amin’ny mety mbola hahavelona ity mpanarato natelin’ny ranomasina ity taorian’ny roa andro mahery nikarohana azy. Mila mitandrina hatrany amin’izao fotoam-pahavaratra izao fa tsy mena mivadika tampoka ny toetry ny andro.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser