- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Mpanary fako sy mpitondra môtô voadonan’ny fiara

Toliara : Mpanary fako sy mpitondra môtô voadonan’ny fiara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana roa samihafa indray tany Toliara ny alahady teo. Tovolahy nitondra môtô no naratra mafy voadonan’ny fiara avy aoriana, potika ny soavalivy nentiny. Vetivety dia nitangorona ny olona ary voabahana avy hatrany ilay fiara nandona. Nambaran’ireo nanatri-maso fa mamo ny mpamilin’ilay fiara. Manaraka fitsaboana ny niharamboina ary efa vita ihany koa ny fifanarahana amin’ny roa tonta, fa ity nandona no miantoka ny fitsaboana an’ilay tovolahy naratra, hoy ny havany.

 Afak’omaly io ihany, dia lehilahy iray 45 taona nanosika borety handeha hanary fako no voadonan’ny fiara. Voalaza fa nivily tampoka ilay mpanary fako ary ilay fiara kosa tsy tafajanona fa somary nandeha mafy ihany. Vokatr’izany, naratra mafy rangahy voadona. Tato ho ato izany dia saika ahenoana lozam-pifamoivoizana foana ao Toliara ao. Farany teo dia rangahibe iray no maty tsy tradrano nipotsaka atidoha voahitsaky ny kamiao, raha maty nitovy amin’izany ihany koa ny zanany lahy volana vitsy lasa izay. Ny afitsok’ireo mpitondra « cyclo-pousse » tsy tan-dalàna mandratra olona foana saika isan’andro tsy lazaina intsony.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser