- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpangalatra akoho gaigilahy tra-tehaka, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Toliara : Mpangalatra akoho gaigilahy tra-tehaka, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Ela nanaovan-dratsy ka sendra ny nahay azy. Tovolahy iray 25 taona eo, voalaza fa gaigilahy ikoizana  amin’ny fangalarana akoho amam-borona sy vaky trano no saika matin’ny fitsaram-bahoaka, omaly, tao amin’ny Fokontany Amborongony Toliara. Teo am-pangalarana akoho ity mpangalatra rain-dahiny ity no tratra am-body omby, ka tsy namelan’ny olona raha tsy naratra mafy tsy afa-nitsangana intsony niharan’ny vono sy daroka ary kapoka vantan-kazo. Raha ny fanazavana azo, dia mponina eny amin’ny Fokontany ihany ity tovolahy efa nigadra in-droa noho ny hala-botry ity. Rehefa nivoaka ny fonja izy ny 20 aprily teo, dia nirongatra indray ny halatra akoho amam-borona, ka samy nanara-maso akaiky ny biby fiompiny ny mpiara-monina, satria efa ela no niandrasana amin’ity tovolahy manao mpamosavy malemy mamely ny manodidina ity, fa izao vao tratra, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici