Afakomaly alina tokony ho tamin’ny sivy ora, mihazo ny lalana fasam-bahiny (Andolobazaha) Toliara, dia mpianaka avy nivavaka handeha hody no nendahina bandy telo. Vola arivo ariary tao anaty baiboly niampy telefaonina finday ZTE no lasan’ireo olon-dratsy. Voadaroka ihany koa ilay tovolahy niaraka tamin-dreniny, raha saika hanohitra ireo jiolahy nanendaka azy ireo. Rehefa azon’ireo tsy mataho-tody ny rembiny dia lasa nitsoaka niditra elakelan-tanana izy ireo. Ny andro koa maizina sady vitsy mpandeha. Dimy minitra raha be indrindra ny faharetan’ity fanafihana ity, raha ny voalazan’ny niharam-boina. Nisy mpitondra posy nandalo tsy lavitra teo amin’ny toerana nisian’ny fanafihana. Niantso vonjy ny voaendaka nefa tsy nijanona ity farany fa nanohy ny diany hatrany. Taratry ny fahasimban’ ny fiarahamonina ny firongatry ny asa ratsy. Hatramin’ ny olona avy nanao ny asan’ Andriamanitra avy no lasibatry ny asan-jiolahy tsy mataho-tody amin’izao.
Manitrisa