- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Mpianaka niady vehivavy

Toliara : Mpianaka niady vehivavy

Noho ny resaka ady vehivavy, tsy nahalala menatr’olona intsony ireto mpianaka, fa nifamono imasom-bahoaka, ny antoandron’ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 11 ora, tao amin’ny fokontany Betsingilo Toliara II. Tsy ho fifamialana am-bava intsony ny resaka teto, fa tonga dia nodakain-drainy efa mamomamo vao maraina nentin-katezerana teo an-kasarotany tampoka ity zanany lahy 21 taona nirafy taminy. Safotra ka nobataina, novelomina haingana namonjy toeram-pitsaboana, hoy ny fanazavana voaray nandritra ny angom-baovao.

Hasarotampiaro. Tratran-drainy nifamihina sy nifanoroka tamin’ny vadikeliny ity zanany lahy, ny harivan’ny alahady teo, ka teo no niatomboka ny olan’izy mianaka ary nilaza ity rainy fa namadika azy ny menaky ny ainy lasa rafilahiny; izay ity farany matetika irahany manatitra vola ho an’io sipa io. Ramatoa vadiny kosa nanoloana ny hadalan’ity mpanitsakitsa-bady ity tsy nahateny nitondra henatra. Maro ny trangam-piarahamonina mahatsikaiky hita sy misy amin’izao. Efa mivadika ve ny tany sa mihavery ny soatoavina malagasy ?

Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser