- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Mpianatra mamon-drongony, nitanjaka teny an' arabe

Toliara : Mpianatra mamon-drongony, nitanjaka teny an’ arabe

Misy raha la terre ! Trangam-piarahamonina iray nahatsikaiky ny maro sady nahamenatra no niseho tao Toliara, omaly nisandratrandro, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany teo. Tovolahy iray sahabo 16 taona eo, voalaza fa mpianatra mamon-drongony no nitanjaka eraky ny lalana tsy tompon’ny tenany intsony, ka takon-kenatra silipo kely miloko mena sy mainty rovitra tanteraka ny teo aloha sy aoriana no nanaovan’ity tovolahy ity. Samy nihevitra azy ho adala ireo nahita maso, ary betsaka tamin’ny olona no nihomehy irery. Tao kosa ireo honena azy kanefa tsy afa-manoatra. Manoloana ny goragora misy amin’ny rafi-piarahamonina samy maka ho azy, dia miha simba ny seha-panabeazana ankehitriny, ka maro amin’ireo tanora sy ankizy tsy ampy taona miadahy maim-bavy milaza ho tsy ampy fialam-boly (hono !) no mivarilavo amin’ny zavamahadomelina. Raha ny fanadihadiana natao, dia anisany mahamora ny fironan’ ny zatovo amin’ny zavamahadomelina ny fahitana an’ireo toaka sy rongony (rano sy ala) amidy mora eny an’elakelan-trano, toy ny hita ao amin’ny Fokontany Ampasikibo, Tsimenatse, Amborongony, Andakoro, . . . izay fanta-poko fa amidy toy ny anana sy vatomamy eny an-tsena ny jamala, ka tafaroboka amin’ny fidorohana hatramin’ny mpianatry ny EPP.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici