- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Mpianatra nanendaka, saika matin’ny olona

Toliara : Mpianatra nanendaka, saika matin’ny olona

Tsy mifidy sokajin-taona na saranga intsony ny asa ratsy amin’izao. Ny asabotsy teo dia tovolahy mbola mpianatra no tratehaky ny olona nanendaka ramatoa iray niantsena tao bazary Sacma Toliara. Very avokoa ny vola rehetra saika hividianana entana niampy finday avo lenta. Valalanina ilay ramatoa ka hany heriny nindrana findain’olona niantsoany ny azy. Akory anefa ny hagagan’ny nanatri-maso fa naneno tsy lavitra teo ilay telefaonina very. Nosavaina avy hatrany ilay tovolahy niaingan’ny feo. Tratra tany aminy ny vola sy ilay finday. Raha nanontaniana ity tovolahy mpianatra ity dia nilaza ny marina sy ny antony nanaovany izao fanendahana izao. Nambarany fa ny vola azo hatao ‘gouter’ sy hampirevena tovovavy. Ny finday kosa filana ara-teknolojia mba te-hanana tahaka ny tovolahy rehetra, hono izy. Raha ny voalazan’ity mpanendaka sarona ity hatrany dia tsy mifidy asiana izy, na poketra io, na volamena. Tezitra ny olona satria mirongatra ny asa fanendahana ao amin’ity tsena ity, ka nidaroka an’ity mpanendaka ity. Naratra vokatry ny vono nahazo azy ny tenany. Tsy vao sambany ity ramatoa ity araka ny filazany no tratran’ny asa ratsy toy izao tao Scama izao. Maro ny mpiantsena lasibatry ny fanendahana no mitaraina, indrindra amin’ny andro fety sy faran’ny herinandro mahabe olona, nefa toa tsy misy fepetra raisin’ny tomponandraikitry ny tsena, ka migalabona ireo olon-dratsy. Fa izay tratra aloha dia manefa noho ny hatezeram-bahoaka.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser