- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Mpianatra tratra nanendaka ramatoabe, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Toliara : Mpianatra tratra nanendaka ramatoabe, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ratsy taiza ary tsy kely lalana ny ratsy. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora, tao ambadiky ny sekoly EPP « petit lycée » lalàn-tany mankany Ambalanomby, dia mpianatry ny CEG iray ao Toliara no tratra nanendaka rojo volamena tamin’ny ramatoabe iray avy niantsena. Lasa nitsoaka avy hatrany ity tovolahy mpanendaka ity raha vao azony ilay rojo. Niantso vonjy Ramama ka raikitra ny fifanenjehana. 20 m avy eo, tratra ny anao lahy. Rehefa nosavaina ity tovolahy mpianatra vao 15 taona monja ity dia mbola nahatratrana fonosana rongony tany aminy. Midika izany fa sady mpangalatra izy no mpidoroka, hoy ireo nanatri-maso.
Nisy tamin’ireo olona nanenjika nahatratra azy no tezitra ka tonga dia nidaroka an’ity mpanendaka ity. Vaky ny vavany, mangana ny tavany, avy eo nalefan’olona nandeha ihany rehefa avy nifona. Ramatoabe koa nitsetra azy ka tsy nitory. Nahazo vahana tato ho tato izay ny fanendahana ataona ankizy tsy ampy taona. Farany teo tao amin’ny bazary Sacma dia mbola mpianatra iray ihany koa no nanendaka ramatoa handeha hividy vary ka very tamin’izany ny vola sy finday avo lenta. Lasa ihany ny saina : ny fahantrana ve no lalim-paka loatra sa ny rendrarendran’ny tanora no tafahoatra, ka mitady vola mora amin’ny fomba ratsy samihafa amin’izao. Ny mpanabe sy ny ray aman-dreniny indray izao no voahoso-potaka amin’ny toetra ratsin’ny mpianatra toy izao.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser