- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpianatry ny CEG mamon-drongony, tratra nanolana sy nanendaka

Toliara : Mpianatry ny CEG mamon-drongony, tratra nanolana sy nanendaka

Afak’omaly hariva tao amoron-driaka Toliara, mpianatry ny CEG iray mamon-drongony no nanolana sy nanendaka tovovavy iray tsy lavitry ny « Jardin de la mer ». Tonga dia nobedainy sy notolominy ny zanak’olona, ary saika nanamparany ny filan-dratsiny. Ny nanao tazan-davitra nihevitra fa mpifankatia misangy (mifandamoro) izy ireo. Niantso vonjy ilay tovovavy, teo vao taitra ny olona. Nitsoaka ilay tovolahy niaraka tamin’ny findain-drazazavavy avy nangalariny. 300 m avy eo tratra rehefa nifanenjehana, ka niharan’ny daroka sy vono. Rehefa nofotorana izy, teo no nahafantarana fa mpianatra, ary avy nifoka rongony tao anaty ala honko no nifanena amin’io tovovavy io. Ity farany izay nigogogogo nitomany sady nihosom-pasika hatreny an-tampon-doha, ary nahitana faharovitana ny akanjo nanaovany, hoy ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Goragora ny fitaizana. Mitombo isa hatrany ny fihoaram-pefy ataon’ ireo zatovo ao Toliara ao amin’izao, izay mitovitovy amin’ireo ankizy any avaratra , « foroche ».
Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser