- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Mpiasan’ny banky voatafika, lasan’ny jiolahy ny entana rehetra tao an-trano

Toliara : Mpiasan’ny banky voatafika, lasan’ny jiolahy ny entana rehetra tao an-trano

Omaly, tokantrano roa voatafika tao amin’ny fokontany Tsimenatse-Ouest I Toliara. Ny iray ana mpiasan’ny banky, vaky naraim-be tany amin’ny roa ora sy sasany tany ho any. Lasan’ny jiolahy avokoa ny entana rehetra tao an-trano,  toy ny fahitalavitra, ampli baffle, sns. Nentin’ireo mpandroba hatramin’ny vilany nisy hani-masaka tao an-trano. Ny entana sasany tsy zakan’izy ireo niparitaka teny an-tokotany. Raha ny fanazavan’ny tompon-trano : niditra teo amin’ny varavarankely nanandrify ny lakozia ireo mpangalatra.  Avy eo nanokatra ny varavarambe teo amin’ny « salon » namoahana ireo entana. Taitra tampoka tamin’ny torimasony ity raim-pianakaviana mpiasan’ny banky, notsilovin’ny iray tamin’ireo jiolahy ny « lampe de poche ». Noho ny tahotra, tsy afa-nihetsika izy. Nitsoaka ireo jiolahy avy  teo. Teo vao niantso  vonjy tamin’ny manodidina ny voaroba. Nantsoina ny mpitandro filaminana avy eo, nefa efa nadio ny rano nitana. Raha ny vaovao voaray hatrany, efa nisy nangalatra ihany koa ny motony , efatra andro talohan’io, saingy tratra, ary nody adala ny lehilahy iray voasambotra. Tsy lavitra teo (150 m), trano iray hafa vaky. Lasan’ny jiolahy ny lelavola 100 Euros ana mpianatra kaomoriana. Noho ny fiparitahan’ny basy, miverina indray ny asan-jiolahy mahery vaika ao Toliara.

Eric Man

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser