- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpiasan’ny Faritany 35 volana tsy nandray karama

Toliara : Mpiasan’ny Faritany 35 volana tsy nandray karama

Miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ireo mpiasan’ny Faritanin’i Toliara teo aloha izay mbola tsy nandray ny karamany efa ho 35 volana izao. Nambaran’ireo solontenan’ ny mpiasa nitafa tamin’ny mpanao gazety, fa “ tsy misy miraharaha na mihaino mihitsy ny fitarainanay na dia efa maro aza ireo dingana natao amin’ny tokony handoavan’ny fanjakana ny ampahany amin’ny volanay, kanefa tsy nahitam-baliny izany, na dia teo ary efa im-betsaka ihany koa ny fampanantenana nataon’ny mpitondra sy tompon’andraikitra.

Kivy tanteraka ireo mpiasa bokan-trosa tsy mahaloa hofan-trano, tsy afa-mampiana-janaka intsony, ary tsy afa-mitsabo tena raha marary, sns. Misy amin’ireo zanaky ny mpiasa tsy afa-mianatra intsony, hoy ny loharanom-baovao, no lasa mivaro-tena tsy fidiny hanampiany ny ankohonany noho ny tsy fisiam-bola, satria ny kibo tsy mba lamosina.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici