Lehilahy iray, notondroin’ny olona fa tompon’antoka tamina famakiana tranombarotra iray tao Amborongony Atsinanana, tany Toliara, no niharan’ny fitsaram-bahoaka omaly maraina. Saika matin’ny fokonolona teo ity lehilahy ity raha tsy tonga haingana ny mpitandro filaminana raha ny fampitam-baovao azo. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia nisehoana fandrobana teo amin’io toerana io ny omaly harivan’ity tranga ity, izany hoe ny alakamisy lasa teo. Andian-jiolahy maromaro nirongo basy no tonga nanafika tranombarotra iray tao an-toerana. Vola 10 tapitrisa ariary niaraka tamin’ny firavaka volamena sy entana sarobidy maro no lasa tamin’izany. Olona iray no naratra vokatr’ity fanafihana ity. Olona izay saika hamonjy ny tompon-trano izay niantso vonjy. Samy namonjy ny ainy avokoa moa ny mponina, raha ny loharanom-baovao hatrany, raha vao nipoaka monja ny basy. Hany ka mora tamin’ireo olon-dratsy no niporitsaka. Ny ampitson’iny dia tonga teny amin’ity toerana ity, lehilahy iray, saika hibizina volamena. Asa raha fifandrifin-javatra na tena tsy nahalala ny zava-misy niseho teo ity rangahy ity. Nihevitra avy hatrany ireo fokonolona, izay efa nanana ny naratra fa isan’ireo mpanafika ny omalin’iny ity lehilahy ka mbola tsy nahay niaina tonga nitonantonana teo ihany. Nosamborina avy hatrany ary saika tonga tany amin’ny famonoana ity mpibizina volamena ity mihitsy, raha tsy niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana. Olona madio sa tena jiolahy ? Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity rangahy ity, izay mbola maratra mafy, raha ny vaovao azo hatrany.
m.L