- Publicité -
lundi, décembre 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Mpifankatia nampiaraka, nahita taolam-paty nafatratra tao anaty harona

Toliara : Mpifankatia nampiaraka, nahita taolam-paty nafatratra tao anaty harona

Mahoraka be ny resaka ankehitriny, fa hanamboarana firavaka diamondra  ny taolam-paty,  ka ireo mahita mpividy any ivelany no tena mibizina azy ity, izay anisan’ny nampirongatra ny varo-maizina sy vaky fasana eto amintsika, tato ho ato. Afak’omaly tolakandro, tany Toliara, dia tanora mpifankatia nandehandeha nampiaraka tany anaty kirihitr’ala no nahita taolam-paty nafatratra tao anaty harona. Zendana ireto mpisipa raha nahita harona lehibe iray nivorian-dalitra tao amin’io kirihitr’ala iray eny Andatabo izay tsy lavitra ny lalam-pirenena fahafito iny.  Nihevitra ireto mpifankatia tany am-boalohany, fa entan’olona hadino na napetraky ny tompony teo. Niandry elaela izy ireo kanefa tsy nipoitra izay mety ho tompony, ka nosavaina ilay harona. Akory ny hatairan’ ireto mpisipa nahita taolan-dava maromaro efa voafatotra tao, ka nanaitra haingana ny mponina manodidina nampahafantatra ny zava-misy, hoy ny vaovao. Matetika amin’ny taolam-paty tra-tehaka eto amintsika izay mahagaga ny mpanara-baovao dia taolan-dava hatrany, toy ny taolam-pe, taolan-dranjo ary ny sandry sy lanton-tanana no tena lasibatra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici