- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpirahavavy avy nivavaka, saika voaolana

Toliara : Mpirahavavy avy nivavaka, saika voaolana

Hatramin’ ny olona avy nanao ny asan’ Andriamanitra no lasibatry olon-dratsy tsy mataho-tody amin’izao. Ny alahady alina teo, tokony ho tamin’ny valo ora latsaka kely, tao amin’ny fokontany Antaravay Toliara, dia tovovavy mirahavavy avy nivavaka no saika naolana bandy telo voalaza fa efa mamomamo nitondra zava-maranitra ny iray. Raha ny loharanom-baovao dia tamin’ny toerana takona maizina sady mangina no saika nanatanterahan’izy telolahy ny asa ratsiny. Tsy nanaiky mora ny herisetra natao taminy ilay tovovavy zokiny ranjanana ka nanohitra ary sahy nifampitolona tamin’ny iray amin’ireo telo saika hanolana azy. Ny zandriny kosa tetsy andaniny nikiakiaka niantso vonjy. Nahita izany ireo mpanao herisetra lasa nitsoaka. Finday iray no very.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser