- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpitantana cybercafé hitokona

Toliara : Mpitantana cybercafé hitokona

Raha ny fanazavana azo tamin’ny angom-baovao tetsy sy teroa dia manda ny handoa ilay roa arivo ariary isaky ny solosaina isam-bolana takian’ny Omda aminy ny ankamaroan’ireo mpitantana Cybercafe ao Toliara, satria tsy mazava amin’izy ireo ny antony marina itakiana an’io vola io, ka tsy afaka handoa izy ireo. Raha ny fanazavany talen’ny Omda, Ranjarivo Haja, tamin’ny fandalovany tao Toliara, dia ho fiarovana ny zon’ny mpamorona rehetra anaty solosaina no antony tsy maintsy handoavan’ireo Cybercafé io lelavola 2 000 ariary isaky ny solosaina isam-bolana io. Didy nivoaka ny taona 2006, laharana 10-610 no mamaritra io fepetra io, saingy izao vao tena ampiharina, hoy hatrany ny fanazavany.

Hanidy trano.  Hatreto aloha mihenjana ny tady amin’ny roa tonta, satria milaza ireo mpitantana Cybercafe, fa tsy araka intsony ny vola mivoaka tsy maintsy haloa toy ny hofan-trano, ny jiro. Manginy fotsiny ny findangan’ny hetra alain’ny fanjakana isan-taona ary ny saran’ny “connexion”, nefa ny tsena ratsy ka fatiantoka hatrany no babena. Raha ny loharanom-baovao azo farany dia mandrahona hitokona ary hanakatona ny toeram-piasany avokoa ny tompona Cybercafé rehetra manerana ny Nosy, ny faran’ny volana izao. Izany dia ho fanoherana ilay lalàna navoakan’ny Omda amin’ny tokony hakana vola isaky ny solosaina. Nilaza ireto tompona Cybercafe sy mpitantana sendra anay, fa tokony handraisana fepetra ihany koa ireo mpampiditra hira anaty finday eny an-dalambe mitombo isa toy ny anana amin’izao.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser