- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Mpitarika posy voadonan’ny fiara, naratra mafy

Toliara : Mpitarika posy voadonan’ny fiara, naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nadratrana olona indray tao Toliara,omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora. Fiara nandeha mafy voalaza fa mamo ny mpamily no nandona mpitondra « cyclo-pouusse ». Naratra mafy ary miady amin’ny fahafatesana amin’izao ity farany. Ilay fiara kosa tsy nijanona na dia nenjehan’nyolona sy voatora-bato aza. Goragora ny lafiny fifamoivoizana ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana ao. Ny làlana mihapotika. Feno mpivarotra ny toerana natokana hoan’ny mpandeha an-tongotra, ka voatery eny ampovon’arabe no mandeha. Mitombo isa ihany koa ireo posy, moto, fiara tsy tan-dalàna. Vokany ny tsy manantsiny hatrany no maratra sy matimaty fahatany, ka anairana ny sain’ny tomponandraikitra.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser