- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpivady niara-nijery filma « X », tsy nety nampihatra ramatoa

Toliara : Mpivady niara-nijery filma « X », tsy nety nampihatra ramatoa

Tranga hafakely nahatsikaiky indray niseho tany Toliara ny faran’ny herinandro teo. Asa izay nahazo an’ity raim-pianakaviana manan-janaka telo ,fa rehefa avy niasa ny tenany dia nividy filma « X »  ka niara-nijery  tamin’ny vadiny ny alin’ny asabotsy teo. Taitra tamin’ny fihetsika nanentanentana hitany rehetra tao anatin’ilay sarimihetsika mamoafady rangahy ka notereny hamerina izany ramatoa, saingy tsy nety. Tezitra ny anao lahy ka nodarohany ny vadiny ary mangana ny tarehin’ity farany, satria hono tsy mba mivoatra toy ny olona sasany manaraka ny toetr’andro manao revim-bazaha, fa zatra foana ny fomban-drazana manisa kintana, rehefa miray ara-nofo aminy.

Notantarain-dramatoa tamin’ny namany. Maraina ny andro notantarain-dramatoa tamin’ny namany akaiky azy ny zava-nihatra taminy ny alina, ka vetivety dia niely ny resaka noho ny fitiavan-delam-behivavy, ary vaky am-batolampy ny fiainam-pitiavana tamin’ilay tokantrano nahahaka. Marihina fa ao Toliara ao dia amidy eny rehetra eny ny kapila mangirana piraty feno horonantsary mamohehitra. Hatramin’ny ankizy tsy ampy taona roboka manjifa izany, ka tokony handraisan’ny tomponandraikitra fepetra haingana. Lasa ihany ny saina raha ny zavamisy sy ireo trangam-piarahamonina amin’izao no zohina. Tsy zakan’ny toe-tsain’ny Gasy sasany ve ny fanatontoloana misy amin’izao na ny fivoaran’ny teknolojia fa misy manaonao fahatany toy ny tranga tany Toliara ity. Hita fa mihavery tsikelikely ny soatoavina maha malagasy antsika amin’izao. Te-ho vazaha daholo e ! Na amin’ny fiteny io na fihetsika.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser